Watchmada’s Blog

Just another WordPress.com weblog

“NY ATY AMINAY!!!!”

Mbola resaka mpanao gazety ihany no horesahantsika eto.

Tato ho ato, nandritra ity krizy ara-politika iainan’i Madagasikara ity dia isan’ireo nandray anjara goavana ny mpanao gazety.

Nisy tamin’izy ireo no nisafidy ny lalan’ny fanakorontanana, izay efa notaterina teto hatrany fa dia tamin’ny alalan’ny fampihorohorona sy ny fampielezana tsaho no tena nanatontosan’izy ireo ny asany (raha tena nanao izany marina izy).

Dia nivoatra teny ny toe-draharaha, ary nanaraka izany ihany koa ny asan’ireto mpanao gazety Malagasy, samy namoaka izay hevitra tiany hosoratana, samy namoaka izay sary tiany havoaka (na dia voafehin’ny lalàna iraisam-pirenena sy misy sata manokana aza ny famoahana sary feno habibiana sy feno herisetra ka mety hanohana ny fo amam-panahin’ny vahoaka izay manjifa izany.

Hatreo aloha dia mbola azo lazaina hoe tsy dia olana ihany, satria mety azo ekena hoe nahazaka nijery ireny sary ireny, nahazaka nihaino ny feonareo ary nahazaka nahita ny zavatra nosoratanareo ny tsirairay avy amin’ny vahoaka. Eny, ekena fa tokony hiasa an-kalalahana ny mpanao gazety nefa kosa tsy tokony hiteniteny foana ka hamoaka vaovao tsy marina sy mampikorontana ny sain’ny vahoaka Malagasy.

Taorian’izay dia maro ny zava-nitranga mahakasika ny mpanao gazety, misy ireo izay mieritreritra fa afaka miasa malalaka ka manararaotra izany fahalalahany izany, misy ireo manohy hatrany ny famafazana lainga etsy sy eroa, nefa nisy ihany koa mpanao gazety izay niaran’ny herisetra, izay tsy voafetra intsony hoe nataon’iza na nataon’iza, satria tafiditra loatra tany anaty korontana.

Raha izany ary ny zava-mitranga, fanontaniana no hapetrako, moa ve manao ny asanareo amin’ny tokony ho izy ianareo mpanao gazety amin’izao vanin’andro izao?

Ohatra iray isan’ny tena mamohehatra indrindra no niseho tetsy Ampahibe, ny atoandron’ny 10 martsa lasa teo. Mamohehatra satria, raha ny zava-niseho no dinihina dia tsotra:

- Nisy andiana miaramila, isan’ireo mpikomy, niditra an-keriny tetsy amin’ny Ministeran’ny Fiarovana ka nanao takalon’aina ny Minisitry ny Fiarovana ary nanery ity farany mba hanasonia ny taratasy fametram-pialany amin’ny toerana maha-minisitra azy.

Eo aloha dia efa mamohehatra sy mahonena ny tranga misy satria dia olona ambany “grady” no mibaiko ny “vice-amiral” mba hanasonia io taratasy io.

Nefa ny tena mahonena sy nahavàka ny sain’ny maro dia ny nahita ity tovovavy mpanao gazetin’ny TV PLUS izay nampita ny vaovao teny an-toerana ary nampiasa ilay hoe “situation” na ilay endrika fitantarana eny an-toerana. Tamin’izany fotoana izany dia tsiky sy haravoana, asa angamba eso anaty mihitsy no endrika nisoritra teo amin’ny tavan’ilay mpanao gazety.

Ilaina tokoa ny mitsikitsiky sy manintona rehefa miseho fahitalavitra, mino aho anefa fa tsy amin’ny vanim-potoana toy ireny no hanaovana izany. Aleo angamba rehefa amin’ny fandaharana “Ny Aty Aminay” ihany vao manao fihetsika toy ireny.

Tsy hiteny aho eto hoe tsy fahaiza-miasa ny an-dRakalakely fa mety nisy zavatra nandalo angamba tao an-tsainy tamin’iny fotoana iny, nefa kosa raha fantany ny havesatr’ilay zava-mitranga ao aoriany, izay ho voasoratra amin’ny tantaran’i Madagasikara dia tsy ho nanao ireny fihetsika ireny izy.

Eto am-pamaranana dia averiko indray hoe amin’ny vanin’andro toy izao, izay mampanjaka ny honohono sy ny siosion-dresaka, dia ianareo mpanao gazety irery sisa no hany andrin’ny vahoaka amin’ny tena fahafantarany marina ny zava-miseho eto amin’ny firenena.

Noho izany, omeo vaovao mari-pototra sy voahadihady ary voadinika tsara ny vahoaka!

mars 12, 2009 Posté par watchmada | READERS' POINT OF VIEWS | | Pas encore de commentaires