“NY ATY AMINAY!!!!”
Mbola resaka mpanao gazety ihany no horesahantsika eto.
Tato ho ato, nandritra ity krizy ara-politika iainan’i Madagasikara ity dia isan’ireo nandray anjara goavana ny mpanao gazety.
Nisy tamin’izy ireo no nisafidy ny lalan’ny fanakorontanana, izay efa notaterina teto hatrany fa dia tamin’ny alalan’ny fampihorohorona sy ny fampielezana tsaho no tena nanatontosan’izy ireo ny asany (raha tena nanao izany marina izy).
Dia nivoatra teny ny toe-draharaha, ary nanaraka izany ihany koa ny asan’ireto mpanao gazety Malagasy, samy namoaka izay hevitra tiany hosoratana, samy namoaka izay sary tiany havoaka (na dia voafehin’ny lalàna iraisam-pirenena sy misy sata manokana aza ny famoahana sary feno habibiana sy feno herisetra ka mety hanohana ny fo amam-panahin’ny vahoaka izay manjifa izany.
Hatreo aloha dia mbola azo lazaina hoe tsy dia olana ihany, satria mety azo ekena hoe nahazaka nijery ireny sary ireny, nahazaka nihaino ny feonareo ary nahazaka nahita ny zavatra nosoratanareo ny tsirairay avy amin’ny vahoaka. Eny, ekena fa tokony hiasa an-kalalahana ny mpanao gazety nefa kosa tsy tokony hiteniteny foana ka hamoaka vaovao tsy marina sy mampikorontana ny sain’ny vahoaka Malagasy.
Taorian’izay dia maro ny zava-nitranga mahakasika ny mpanao gazety, misy ireo izay mieritreritra fa afaka miasa malalaka ka manararaotra izany fahalalahany izany, misy ireo manohy hatrany ny famafazana lainga etsy sy eroa, nefa nisy ihany koa mpanao gazety izay niaran’ny herisetra, izay tsy voafetra intsony hoe nataon’iza na nataon’iza, satria tafiditra loatra tany anaty korontana.
Raha izany ary ny zava-mitranga, fanontaniana no hapetrako, moa ve manao ny asanareo amin’ny tokony ho izy ianareo mpanao gazety amin’izao vanin’andro izao?
Ohatra iray isan’ny tena mamohehatra indrindra no niseho tetsy Ampahibe, ny atoandron’ny 10 martsa lasa teo. Mamohehatra satria, raha ny zava-niseho no dinihina dia tsotra:
- Nisy andiana miaramila, isan’ireo mpikomy, niditra an-keriny tetsy amin’ny Ministeran’ny Fiarovana ka nanao takalon’aina ny Minisitry ny Fiarovana ary nanery ity farany mba hanasonia ny taratasy fametram-pialany amin’ny toerana maha-minisitra azy.
Eo aloha dia efa mamohehatra sy mahonena ny tranga misy satria dia olona ambany “grady” no mibaiko ny “vice-amiral” mba hanasonia io taratasy io.
Nefa ny tena mahonena sy nahavàka ny sain’ny maro dia ny nahita ity tovovavy mpanao gazetin’ny TV PLUS izay nampita ny vaovao teny an-toerana ary nampiasa ilay hoe “situation” na ilay endrika fitantarana eny an-toerana. Tamin’izany fotoana izany dia tsiky sy haravoana, asa angamba eso anaty mihitsy no endrika nisoritra teo amin’ny tavan’ilay mpanao gazety.
Ilaina tokoa ny mitsikitsiky sy manintona rehefa miseho fahitalavitra, mino aho anefa fa tsy amin’ny vanim-potoana toy ireny no hanaovana izany. Aleo angamba rehefa amin’ny fandaharana “Ny Aty Aminay” ihany vao manao fihetsika toy ireny.
Tsy hiteny aho eto hoe tsy fahaiza-miasa ny an-dRakalakely fa mety nisy zavatra nandalo angamba tao an-tsainy tamin’iny fotoana iny, nefa kosa raha fantany ny havesatr’ilay zava-mitranga ao aoriany, izay ho voasoratra amin’ny tantaran’i Madagasikara dia tsy ho nanao ireny fihetsika ireny izy.
Eto am-pamaranana dia averiko indray hoe amin’ny vanin’andro toy izao, izay mampanjaka ny honohono sy ny siosion-dresaka, dia ianareo mpanao gazety irery sisa no hany andrin’ny vahoaka amin’ny tena fahafantarany marina ny zava-miseho eto amin’ny firenena.
Noho izany, omeo vaovao mari-pototra sy voahadihady ary voadinika tsara ny vahoaka!
Taratasin’ny mpamaky nalaina tao amin’ny radio mada
Tsy hay intsony ny tsy hiteny amin’izao zava-misy eto amin’ny firenena izao. Tena mijaly izahay vahoaka miaina amin’ny tahotra andro aman’alina.
Eto aho dia te hidera sy hankasitraka tanteraka ny fiezahana ataon’ny fikambanam-be iraisam-pirenena. Isaorako manokana ianareo satria finiavana lehibe tokoa no nentinareo ary dia nampisehoanareo fa dia tianareo tokoa ny vahoaka Malagasy.
Ankehitriny anefa dia toa mihasarotra izany fanelanelanana izany satria toa hoe misy olona hono tsy manaiky hanatrika ilay fotoana amin’ny faha 12 ka hatramin’ny faha-14 ny volana Martsa.
Tompoko, mitodika manokana aminareo ao amin’ny firaisamonim-pirenena aho, noho ny zava-mitranga tahaka ny fanaovana fahirano ny ao amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena sy fanaovana tery vay manta ny Minisitra hametra-pialàna. Mandram-pahoviana no mbola hanginanareo amin’izao toe-javatra izao? Efa endrika fampihorohoroana mihitsy izao ataon’ireo sous-officiers ireo koa maninona ianareo no tsy mihetsika?
Efa heno omaly moa ny filazan’Atoa Niels MARQUARDT hoe tsy mifanaraka amin’ny lalam-panorenana ny ataon’ireto olona ireto.
Izao anefa, efa ho roa volana mahery izao izahay no tafalatsaka ao anatin’ity krizy ity, efa betsaka ny olona maty ary dia lasa mifamono ny Malagasy izay tena malaza tokoa amin’ny soatoavina izay ananany dia ny ny fihavanana izany. Omaly koa dia nanampy trotraka ny nataon’ireo sous-officiers ary dia tranon’olona maro indray no voaroba sy may.
Mandra-pahoviana? Ny angatahinay dia ny hijoroanareo mazava ao amin’ny fiarahamonim-pirenena hanome ny hevitrareo mazava tsy ho tara ny androany satria mandeha haingana ny raharaha. Izaho manokana dia mahita fa raha tsy miteny ianareo dia amiko miray tsikombakomba amin’ny ratsy ianareo ary izany koa dia endrika tsy fandalàna ny Demokrasia fa fanomezana vahana ny fampihorohoroana.
Eto koa aho dia hitodika manokana aminao Atoa Niels MARQUARDT, antenaiko fa olo-kendry ianao ary tia ny vahoaka Malagasy, raha azoko tsara dia manan-danja be tokoa ny hevitrao ao amin’ny Firaisamonim-pirenena ary dia miankina aminao ny fanampahan-kevitra. Rahoviana re tompoko? Tiako ho fantatra hoe mihaino lakolosy tokana marina ve ianao sa efa firehan-kevitrao mihitsy izao? Tao amina vaovao “internet” aho no nahita fa misy mpiara-miasa aminao izay manolo-tsaina anao ka misy fiantraikany be dia be amin’ny fandraisanao fanapahan-kevitra. Antenaiko fa tsy izany no mitranga satria malahelo tokoa ny fo raha olona antenaina handamina raharaha no miaro mpanakorontana sy manome lalana ho amin’ny ratsy. Ankehitriny angatahiko ianao hilaza mazava ny “position”nao raha miaro na tsy miaro ny fakàna an-keriny ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, amiko mantsy dia fanonganam-mpanjakana izany (ianao anefa milaza fa miaro ny satan’ny demokrasia sy ny fanjakàna tan-dalàna) Eo koa ny hevitrao momba ny tsy faneken’ilay olona hanatrika ilay dinika noheritreretina hatao, ny fanohizana ny fakàna Minisitera izay tsy mifanaraka amin’ny lalàna velona misy sy ny lalam-panorenana izay hindrahindranao hoe tokony arahina sy ekena eo amin’ny tany mandàla ny Demokrasia.
Amiko, raha toa ka mbola tsy miteny ihany ianareo fikamanam-be iraisam-pirenena dia sanatria toa avelanareo hitarika be ilay aretina homa-miadana fa tsy tsaboinareo malaky ary dia manome vahana ny fampihorohoroana ianareo.
GEOPOLITIQUE ET NEOCOLONIALISME: réflexion d’un citoyen Français
A tous ceux qui sont trop naïfs encore ou “incultes”. D’abord apprenez la géopolitique et l’histoire avant d’insulter les autres!! Et comme on dit, la démocratie suppose aussi des différences de points de vue qu’il faut accepter.
Et moi je suis français!
Il y a exactement ce qu’est le partage des territoires après la décolonisation. Francophone et anglophone. Très simple, les anglais n’ont pas le droit d’intervenir dans les pays anciennement colonisés par les français et vice versa. Crise au Liberia? France ne dira rien. Crise en côte d’ivoire? Anglais/Américain ne dira rien. Quoi que vous vouliez, c’est le deal!
Pourquoi Mr le chef des oranges n’est toujours pas arrêté? Parce que le maître français a dit ” véto!”. Et quand le maître des territoires parle, la communauté internationale se tait! C’est encore la règle!
Alors pourquoi les américains et anglais ont osé parler officieusement en disant d’arranger les choses? Parce que Madagascar représente des milliards d’investissement pour le moment.
Pourquoi la France veut la déstabilisation du pouvoir actuel? Parce que le pays commence à se relever (avant c’était à peu près tous les 10 ans, mais cette fois, c’est arrivé plus tôt! 7 ans). Et parce que tous les grands projets encours à Mada sont américains, thaïlandais, canadiens, philippins, japonais, coréens…
Tant que ce “partage” post-colonial des territoires ne sera pas “officieusement” aboli, tous les pays anciennement colonisés seront ainsi.
Aussi, à tous ceux qui croient que le père noël existe et qui rêvent comme Miss monde “je rêve d’un monde en paix”, apprenez l’histoire, la politique, observez, documentez- vous, infiltrez tous les milieux. Telle est la vérité et non autrement!
-
Archives
- mars 2009 (6)
-
Catégories
-
RSS
Entrées RSS
Syndication RSS